-Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka
-Nitrangana doro-tanety tao Ambararatakely Maintirano, faritra Melaky, ny harivan’ny 16 septambra tokony nanomboka tamin’ny 4 ora hariva, izay namely sy nahavoakasika ny toeram-pambolena zana-kazo an’ny DREDD Melaky.
-Tonga haingana ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Hery Vonjy Taitra (FIP) any an-toerana rehefa nahazo fampandrenesana tamin’ny tompon’andraikitra, ka nanampy ireo mpiasan’ny DREDD Melaky sy ireo fokonolona tamin’ny famonoana ny afo. Tokony ho tamin’ny 6 ora sy 20 minitra hariva dia voafehy tanteraka ilay afo.
-Tsy nisy naratra na loza lehibe nitranga. Tsy mbola fantatra kosa hatreto ny niandohan’ny afo ary tsy mbola voafaritra ny velaran-tany may.
-Fotoana fitràngan’ny doro tanety matetika izao ka mila fahamailoana sy fitandremana avy amin’ny rehetra izany.

 

MAINTIRANO – AMBARARATAKELY – FARITRA MELAKY : NITRANGANA DORO-TANETY TAO AMIN’NY FAMBOLENA ZANAKAZON’NY FITALEAVAM-PARITRY NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY NANDRAY ANJARA TAMIN’NY FAMONOANA NY AFO NY POLISIMPIRENENA TANY AN-TOERANA

Vous pourrez aussi aimer