Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
– Nanatanteraka fivoriana teny amin’ny Kaomisaria foibe Tsaralalàna ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Polisimpirenena misahana ny filaminana eto Antananarivo Renivohitra ny 16 – 17 Septambra 2025 izay notarihan’ny Lehiben’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalana, ny Commissaire Principal de Police RAZAFINDAHY Manitra Fleurys.
– Natao tombana nandritra ity fivoriana ity ny vokatra azo nandritra ny 8 volana tamin’ity taona 2025 sy ahafanana manavao ny fomba fiasa. Izany dia mba ho fanamafisana ny paikady efa napetraka entina hitondràna fandriam-pahalemana maharitra ho an’ny mponina. Noresahana ihany koa ny lamina momba ny fifamoivoizana.
– Tapaka fa mitohy ary hohamafisina ireo hetsika ataon’ny Polisimpirenena ho fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra.