– Tonga teny amin’ny Parvis Analakely androany 12 Oktobra 2025 ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’Ny Aina, notronin’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOZANANY Dany Marius sy ireo tompon’andraikitra ambony eto amin’ny Polisimpirenena rehefa naheno fa misy hetsika izay karakaraina eto amin’ny parvis Analakely.
– Nifampiresaka tamin’ireo mpikarakara izy, izay fanomezam-boninahitra ireo lavo nandritra ny hetsika misy amin’izao.
– Nanambara izy fa miasa ny Polisimpirenena mba hisorohana ny mety ho fandikan-dalàna na fanararaotana tsy hisian’ny korontana. Nangataka fiarovana ihany koa ireo mpikarakara ny hetsika natao androany ka neken’ny Minisitry ny Filaminambahoaka izany.
– Manoloana ireo zava-nitranga teto Antananarivo nanomboka ny nisian’ny hetsika tamin’ny 25 Septambra 2025, dia nanambara Ramatoa Minisitra ny Filaminambahoaka fa mila mandray andraikitra ny rehetra mba tsy hisian’ny fandrobàna, fanakorontanana na fanimbàna fananana iombonana na fananan’olon-tsotra.
– Nanome toky Ramatoa Minisitra ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’ny Aina, fa eto ny Polisimpirenena miasa ary miaro an’ireo manao ny hetsika androany. Tsy tokony hisalasala hanantona ireo Polisy izay miatrana handamina sy hiaro ireo mpanao hetsika raha misy tranga mampiahiahy, hoy izy.
– Polisimpirenena – Miaro sy manampy ny vahoaka.

MIJORO HATRANY AMIN’NY FILAMATRA ENTINY MIASA DIA MIARO SY MANAMPY NY VAHOAKA NY POLISIMPIRENENA MALAGASY

Vous pourrez aussi aimer