– Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka
Manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny Firenena dia mitohy hatrany ary mandray ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka amin’ny fanatanterahana ny asa andavanandro ny Polisimpirenena eny amin’ireo sampandraharaha rehetra manerana ny Nosy.
– Amin’ny maha saropady ny asan’ny Polisimpirenena amin’ny fitandroana ny filaminam-bahoaka araka izany dia entanina ny olom-pirenena rehetra tsy hisalasala hanantona ireo sampandraharaha rehetra misy na hiantso amin’ny fotoana rehetra hilàna izany.
– Hita eny an-kianja avokoa ireo Polisimpirenena manatanteraka ny asany, miaro sy manampy ny vahoaka.

MANOHY NY ASA ANDAVANANDRO IZAY ILAIN’NY MPIRAY TANINDRAZANA NY POLISIMPIRENENA MANERANA NY NOSY

Vous pourrez aussi aimer