-Tontosa tetsy amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka Anosy, ny Talata 14 Oktobra 2025, ny lanonana fifamindram-pitantanana teo amin’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena teo aloha, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOZANANY Dany Marius, sy ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena vaovao nandray ny asany, ny Commissaire Divisionnaire de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor.
– Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’ny Aina, ny Jeneraly Pikulas DÉMOSTHÈNE, Lehiben’ny Etamazaoro Jeneralin’ny Tafika, ny Jeneraly NONOS Mbinina Mamelison, Kaomandin’ny Zandarimariampirenena, notronin’ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ireo avy eo anivon’ny Hery Fiarovana sy Filaminana. Nitsodrano ny hitàna ny andraikitra vaovao ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena teo aloha mba hahavita be amin’ny adidy hiandraketana sy hahatontosa atsakany sy andavany ny asa miandry.
– Naneho kosa ny fahavononany ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena vaovao fa hijoro ho tandroka aron’ny vozona hiaro ny vahoaka sy hanantanteraka ny hetahetan’ny vahoaka mikasika ny lafiny filaminana sy fitandroana ny fahadriampahalemana. Notsindriany fa iray tsy mivaky ny Polisimpirenena sy ny Hery Fiaroavana sy Filaminana.
– Hisy ny fanovàna goavana entina eo anivon’ny Polisimpirenena amin’ny fomba fiasa na anaty birao na ny eny an-kianja hoy ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Commissaire Divisionnaire de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor.
– Nitsodrano ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena ny Minisitry ny Filaminambahoaka mba hahavita be amin’ity asa saropady izay raisiny ity, dia ny fibaikoana ny Polisimpirenena manerana ny Nosy. Nankasitraka ny fahavononany hiaro sy hanampy ny vahoaka indrindra amin’ny fampiroboroboana ny lalan-tsaina vaovao hitantanana ny Polisimpirenena sy ny fiaraha-miasa eo anivon’ny Hery Fiarovana sy Filaminana ny Minisitra.
– Nanome baiko ny Polisimpirenena manerana ny Nosy izy, hanaraka an-tsakany sy an-davany ny baiko sy toromarika rehetra izay omen’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena.