Ady amin’ny halatra
✅ Nandritry ny fisafoana nataon’ny Hery Vonjy Taitra ny Polisimpirenena ao Melaky ny 16 oktobra 2025 no nahatratrarana ny lehilahy iray 39 taona nangalatra tafon’ny fiangonana FJKM Ambararatakely.
✅ Tratra ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny izy ary nosamborina avy hatrany, tsy vao sambany no nisy halatra toy zao ny tao amin’ny fiangonana io ka nanokafana fanadihadiana ity lehilahy ity sady tanana eny amin’ny biraon’ny Polisy.