🚔 Ady amin’ny fipariahan’ny zava-mahadomelina
🎯 Nandritra ny fisafoana mahazatra nataon’ny Polisin’ny Kaomisaria TsaratanĂ na tamin’ny alin’ny 18 oktobra 2025, dia nifanena tamin’ny lehilahy roa nitondra gony izy ireo, teny amin’ny fokontany Ambany HĂŽpital, Tsaratanana.
đŸƒâ€â™‚ïž Raha vao nahatazana ireo Polisy dia nandositra avy hatrany ireo olona roa ireo ka nateliny teo an-toerana ny entana. Rehefa nosokafana ireo kitapo dia nahitana rongony maina tao anatiny.
⚖ Milanja 14 kilao ireo rongony ireo rehefa nolanjaina. Nentina teny amin’ny Kaomisaria Tsaratanana ireo entana ary efa misokatra ny fanadihadiana mba hikarohana ireo tompon’antoka.

TSARATANANA, FARITRA BETSIBOKA : RONGONY MILANJA 14 KG NO SARONA NANDRITRA NY FISAFOANA ALINA NATAON’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer