- Araka ny Fehezan-dalàna famaizana (Code pénal) ; ny Lalàna laharana 2020-006 izay manitsy sy mameno ny fepetra sasany ao amin’ny lalàna laharana 2016-029 momba ny serasera amin’ny haino vaky jery, nivoaka ny 1 Septambra 2020 (loi sur la communication médiatisée) ; ny lalàna laharana 2014 – 006 mifehy ny heloka anabaka, nivoaka ny 19 jona 2014 ; dia misy fepetra hentitra mandràra ireto manaraka ireto
– Lalàna 016-029, andininy faha-23.
-Fanalam-baraka amin’ny lainga na fiampangana tsy marina (Diffamation)
-Fiampangana olona amin’ny zavatra tsy marina ka manimba ny lazany na ny voninahiny imasom-bahoaka.
Teny na fanambarana manala baraka olona iray, na manevateva, na manompa azy.
– Lalàna 2016-029, andininy faha-24.
– Faniratsiràna ny Filoha sy ny manampahefana ambony, faniratsiràna olona mitàna andraikitra ambony amin’ny fanjakana (Offense)
-Fanaratsiana na fanalam-baraka atao amin’ny Filohan’ny Repoblika na amin’ireo manampahefana ambony eo amin’ny fanjakana (Minisitra, mpitsara, mpitandro filaminana, sns). Na dia tsy mitovy hevitra amin’ny filoha na ny manam-pahefàna ambony eo amin’ny fitondràna aza ianao, tsy azo ompana na hosoram-potaka amina tranga tsy marina imasom-bahoaka izy ireo satria heloka amin’ny lalàna izany.
– Fehezan-dalàna famaizana (Code pénal), andininy faha-121 hatramin’ny 123.
– Fake news / Vaovao tsy marina = Vaovao diso, sandoka, niniana nodisoana
-Fanaparitahana vaovao tsy marina izay mety hanakorontana ny filaminam-bahoaka na hampiteraka savorovoro sy fikorontanana.
– Lalàna 2014 – 006, andininy faha 22
– Sary na horonan-tsary mamoafady misy ankizy (Contenu pédopornographique)
-Famoronana, famoahana, fizarana, fivarotana sary na horonan-tsary mamoafady mampiseho ankizy tsy ampy taona na heverina ho tsy ampy taona raha ny endriny anatin’ilay sary.
– Lalàna 2016-029, andininy faha 196–197.
– Fanitsakitsahana fiainana manokana (Violation de la vie privée)
-Famoahana tsiambaratelo, antontan-taratasy, na vaovao manokana momba olona iray tsy nahazoana alalana (ohatra: resaka “inbox”, adiresy, antontan-kevitra, sns).
– Lalàna 2016-029, andininy faha-20.
– Fampiasana sarin’olona tsy nahazoana alalana (Atteinte au droit à l’image)
-Fampiasana sary na horonan-tsary mampiseho olona iray tsy nangatahana fahazoan-dàlana, indrindra raha manimba ny lazany, ny asany, na ny fiainany manokana.
– Fehiny: VOAARON’NY LALANA NY FAHALALAHANA MANEHO HEVITRA SAINGY VOAFETRAN’NY LALANA IHANY KOA IZANY, TSY NY FANEHOAN-KEVITRA NO VOARARAN’NY LALANA FA NY FIHOARAM-PEFY TOY NY VAOVAO DISO, FANALAM-BARAKA TSY AMIN’ANTONY, SNS
-Mila fitandremana ny fampiasàna ireo tambazotran-tserasera toy ny Facebook, Instagram, TikTok, sns, satria misy ireo lalàna velona mifehy izany sy ny sazy mihatra eto Madagasikara mba tsy hisian’ny fihoaram-pefy.
