✅ Ady amin’ny asan-jiolahy
👮♂️ Jiolahy iray tafiditra ao anaty andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana miharo herisetra sady lehibena mpanendaka, no maty nandritra ny fifandonana tamin’ny Polisin’ny Service Central Anti-Gang (SCAG) ny alin’ny 23 oktobra 2025, teny Ankadimbahoaka.
🚨 Nisy nanome vavao marim-pototra ny Polisy fa misy andian-jiolahy efa mihaodihaody eny ny faritra Paraky sy Akadimbahoaka iny ka nidina ifotony nanao fanamiana sivily teny ireo Polisin’ny SAG.
🚔 Rehefa tonga teny an-toerana dia jiolahy efa nikasa handroba olona no nifanehitra tamin’ireo Polisy. Niezaka nisambotra azy ireo ny Polisy, saingy nanohitra tamin’ny fitaovam-piadiana teny aminy ny jiolahy iray ka voatery nitifitra ho fiarovan-tena ny Polisimpirenena. Maty vokatr’izany ity jiolahy ity raha tafaporitsaka tanaty elakelan-trano ny namany iray, ary mbola karohina.
🤝 Voahaja tanteraka ny tsiambaratelon’ireo olom-pirenena tsara sitra-po manome vaovao ny Polisimpirenena. Manentana ny mpiray Tanindrazana tsy hisalasala hitoroka ireo mpanao ratsy mialokaloka anaty fiarahamonina.
JIOLAHY RAINDAHINY AMIN’NY FANENDAHANA SY HALATRA MIHARO HERISETRA LAVON’NY BALAN’NY POLISIMPIRENENA TENY ANKADIMBAHOAKA
