Ady amin’ny halatra omby sy fitandroana ny fandriam-pahalemana ambanivohitra
-Nitrangàna fanafihan-dahalo tao amin’ny kaominina Andemby, ao amin’ny Distrika ‘i Toliara II, faritra Atsimo Andrefana ny 24 oktobra 2025 maraina ka omby miisa efatra no lasan’ireo jiolahy tamin’izany.
– Tsy niandry ela fa nidina ifotony avy hatrany ny Polisin’ny Hery Vonjy Taitra nanao sakana avy eo Andatabo raha vao naharay antso fitarainana. Tratra tany Ankaronga, 14 km miala an’i Andatabo ireo omby.
– Raha vao nahatazan-davitra ny Polisimpirenena niaraka tamin’ny fokonolona ireo Dahalo dia vaky nandositra ka navelany teo ny Omby sy ny basy teny aminy.
– Basy lava iray no azo ary tafav­erina amin’ny tompony ireo omby miisa efatra rehefa vita fanamarinana.
– Polisimpirenena miaro sy manampy ny Vahoaka.

 

ANDEMBY, TOLIARA II, FARITRA ATSIMO ANDREFANA : TAFAVERINA SOA AMANTSARA AMIN’NY TOMPONY IREO OMBY NANGALARIN’NY DAHALO NOHO NY FIROTSAHANA AN-TSEHATRA NATAON’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer