Ady amin’ny asan-jiolahy
– Mpangalatra sy mpanendaka miisa fito lahy no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Boriboritany faha-2, Mahabibo Mahajanga, nandritra ny hetsika manokana nataon’izy ireo nandritra ny herinandro.
-Ny voalohany, mpanao sinto-mahery telo lahy no tra-tehaka rehefa nanendaka rojo volamena tamina vehivavy iray nitondra moto tao Tsararano Ambany, ny alarobia 24 Oktobra 2025. Voasambotra teo no eo ny roa tamin’izy ireo, raha ny iray hafa kosa dia voasambotra tany an-tranony rehefa natoron’ireo namany.
-Ny tranga faharoa, lehilahy iray malaza amin’ny asa fanendahana no nosamborin’ny Polisy tao amin’ny secteur Manga ny alahady 26 oktobra 2025. Loharanom-baovao marim-pototra avy amin’olona tsara sitrapo no nahafahana nisambotra.
-Ny fahatelo, lehilahy iray ihany koa no saron’ny Polisy tao Ambalavola, rehefa avy nangalatra entana tao anaty fiara fitaterana nijanona teo amoron-dalana, tamin’io alahady 26 oktobra 2025 ihany. Azo sary izy nandritra ny halatra nataony ka tsy afa-niala.
-Farany, , tranga fanendahana finday indray no niseho tao amin’ny tsenan’i Mahabibo. Roa lahy no tompon’antoka ka saron’ny Polisy rehefa fantatr’ilay niharam-boina. Nanoro ny namany ilay voalohany tratra ka voasambotra ihany koa ny iray hafa.
– Manentana hatrany ny mpiray Tanindrazana amin’ny adidy hiraisana ho an’ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra ka ho sahy mitoroka ireo olon-dratsy any anaty fiarahamonina.
