Ady amin’ny fisolokiana
– Naharay fitarainana ny Polisy ao Toamasina ny 28 oktobra 2025 fa nisy olona voafitaka rehefa nividy vato sarobidy « rubis ».
– Rehefa andeha ho amidy ka natao fitiliana ireto vato vao fantatra fa hosoka, ny volabe anefa efa azon’ireo mpisoloky.
– Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Polisy noho izany ka nisy ny velam-pandrika natao. Voasambotra ny lehilahy roa ary mbola nahitana vato sarobidy hosoka teny amin’izy ireo. Rehefa nohadiadihana ireo roalahy dia nanondro ny olona mpanamboatra ireo vato sarobidy hosoka ireo. Voasambotra ihany koa ity farany rehefa hita ny toerana nisy azy.
– Samy Niaiky ny heloka nataony avokoa izy ireo nandritra ny famotorana.
– Atolotra eny anivon’ny Fampanoavana izy telo lahy ireo aorian’ny fanadiadihana ataon’ny Polisimpirenena.

 

TOAMASINA : 3 LAHY MPISOLOKY HO MIVAROTRA VATO SAROBIDY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer