✅ Ady amin’ny fanolanana
– Voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Kaomisaria Mahamasina ny 05 novambra 2025 maraina ny lehilahy iray, 20 taona, tratran’ny fokonolona ambodiomby nikasa hanolana zaza vavy 6 taona teny Anosibe, akaikin’ny pharmacie Volahanta.
– Voasoroka noho ny fandraisana andraikitra haingana nataon’ny Polisimpirenena ny fitsaram-bahoaka nihatra tamin’ity lehilahy ity.
– Nentina nihazo ny hopitaly ilay zazakely lasibatry ny asa fanolanana mba hahazo fitsaboana sy hanaovana fizahàna ara-pahasalamana.
– Ilay lehilahy kosa dia natolotra ny Sampandraharaha miady amin’ny Heloka Mamoafady sy miaro ny Zaza tsy ampy taona ary ny Olona marefo (SCPMPM) Anosy, mba hanohizana ny fanadihadiana.

 

LEHILAHY IRAY NIKASA HANOLANA ZAZA 6 TAONA, SAIKA NIHARAN’NY FITSARAM-BAHOAKA ARY EFA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TETSY ANOSIBE

Vous pourrez aussi aimer