– Manome lanja sy manamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
– Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL Wouli Soumah Idrissa, ny marainan’ny 6 Novambra 2025 ny Masoivohin’i Italia monina atsy Afrika Atsimo, Ramatoa Anna QUATTRONE sy ireo mpiara-miasa aminy; izay mandalo mamita iraka eto Madagasikara.
– Nihaona taminy ihany koa ny Consul Général Honoraire an’i Israel, Andriamatoa Benjamin MEMMI miasa sy monina eto Madagasikara niaraka tamin’ny Masoivohon’i Israel miasa sy monina atsy Afrika Atsimo fa mandalo eto Madagasikara, Andriamatoa Ariel SEIDMAN sy ireo mpiara-miasa aminy.
– Nivoitra tamin’ireto fihaonana ireto ny lafiny fiofanana sy fifampizaràna traikefa eo amin’ny Polisy avy amin’ireo firenena notanisaina ireo sy ny Polisimpirenena malagasy, teo ihany koa ny fifanakalozam-baovao amin’ny resaka fandriam-pahalemana fa indrindra ny fiarovana ny sisintanin’ny Madagasikara.

MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA : FIARAHAMIASA AMIN’IREO FIRENENA VAHINY

Vous pourrez aussi aimer