– Ao anatin’ny fanatanterahana ny vina napetraky ny Fitondram-panjakàna, izay mifantoka amin’ny fihavaozana sy fanavaozana, dia nanatanteraka fampiofanana ho an’ireo mpianatra ho Commissaire de Police sy mpianatra ho Officier de Police ao amin’ny Sekoly Ambonin’ny Polisimpirenena (ENSP) Ivato ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny 06 Novambra 2025.
– Nifantoka tanteraka tamin’ny fahaiza-mitarika ho amin’ny fanovàna ny fampiofanana, ka Andriamatoa Rija RAJEMISA no nizara ny traikefany ; manampahaizana manokana amin’ny hay tarika sy fanovàna, sady Filoha Tale Jeneralin’ny Corban Consulting, Filohan’ny MUSEA, ary Ambassadeur an’ny « Nouveaux Horizons » eto Madagasikara 🇲🇬.
– Endrika fiaraha-miasa sy fanohanana teo amin’ireo samy nahazo vatsim-pianarana avy amin’ny Masoivoho Amerikana, izay mivondrona ao anatin’ny fikambanana MUSEA, ka ny tanjona dia ny hahatratrarana ny vina hoe “Polisy marina, mahomby ary Polisy manompo ny vahoaka.”
– Nitondra teny fankasitrahana ny talen’ny ENSP, ny Commissaire Divisionnaire de Police RATSIMBA Andrianina Brice, noho ny fiaraha-miasa sy ny fifamatorana eo amin’ny maha-samy mpikambana ao amin’ny MUSEA azy ireo.

SEKOLY AMBONIN’NY POLISIMPIRENENA – ENSP IVATO : NAHAZO FAMPIOFANANA MIKASIKA NY FAHAIZA-MITARIKA HO AMIN’NY FIHAVAOZANA SY FANAVAOZANA IREO MPIANATRA HO MANAMBONINAHITRA AMBONY SY MANAMBONINAHITRA AO AMIN’NY ANDIANY “MENDRIKA”

Vous pourrez aussi aimer