👮‍♂️ Polisimpirenena mandrindra ny fifamoivoizana
🚗 Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena hanalefahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo Renivohitra, indrindra amin’ireo kihon-dalana lehibe mivoaka sy miditra an’Antananarivo. Nojerena manokana nanomboka androany 12 Novambra 2025 ny teny amin’ny faritra Analamahitsy iny.
👮‍♀️ Nampitomboina ny isan’ny Polisy miantsehatra eny an-kianja, ahitana ny avy ao amin’ny Kaomisaria Foibe Avaradrano, ny Kaomisaria Boriboritany faha-08 Analamahitsy, ary ny avy amin’ny Polisy misahana ny fifamoivoizana (Compagnie Urbaine de la Circulation – CUC).
↔️ Nohamafisina ny fampiharana ny « doublage » avy any Analamahitsy, arakaraka ny zava-misy eny an-kianja, manomboka eo amin’ny Galana Analamahitsy mankany amin’ny Rond-point Andranobevava, ary eo amin’ny Shell Ambohitrarahaba mankany amin’ny SMMEC Ambohitrarahaba raha ho any an-drenivohitra.
📍 Tonga teny an-toerana nijery ifotony ny fizotry ny fandaminana vaovao ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka eto Analamanga, ny Commissaire Divisionnaire de Police ANDRIANALISON Haminiaina Solofotiana.
🛣️ Jeren’ny Polisimpirenena manokana avokoa ireo lalana fidirana eto Antananarivo renivohitra dia ny eny Anosizato, Ampasika, Ankadimbahoaka, Ampasampito, ary ny eo Sabotsy Namehana sy Analamahitsy.

 

NAMETRAKA PAIKADY MANOKANA NY POLISIMPIRENENA HANALEFAHANA NY FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA AMIN’IREO KIHON-DALANA MIVOAKA SY MIDITRA AN’ANTANANARIVO

Vous pourrez aussi aimer