🚔 Ady amin’ny halatra moto
👮‍♂️ Lehilahy iray no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Kaomisaria Ambohimanarina ny 11 Novambra 2025 noho ny resaka halatra moto.
đź“… Ny 10 novambra 2025 no very io moto io ka nametraka fitarainana ny tompony.
🔍 Nanokatra fanadihadiana ny Polisimpirenena. Vokatry ny ezaka natao, hita tao anaty garazy iray tao Ambatolampy ilay moto, ary nosamborina tany Antanimena ity lehilahy tompon’antoka tamin’ny halatra ity. Nentina eo anivon’ny Kaomisaria ao Ambohimanarina ilay lehilahy sy ny moto hita mba hanohizana ny fanadihadiana.
LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRA NOHO NY HALATRA MOTO TENY AVARATETEZANA AMBOHIMANARINA.
