FANKALAZANA NY FETIN’NY FAHALEOVANTENA – KERIMESY LEHIBE ETSY BETONGOLO : MANDRAY ANJARA MAVITRIKA NY POLISIM-PIRENENA

✅ Kerimesy lehibe ahitana kilalao maro samihafa sy sakafo isan-karazany hamalifaliana ny vahoaka Malagasy no tanterahin’ireo Mpitandro ny filaminana ( Miaramila – Zandary – Polisy ) etsy betongolo manomboka androany 21 jiona ary hifarana ny 25 jiona ho avy izao.
?? Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha 62 taona nahazoana ny fahaleovantena moa ny hetsika ary isan’ny mandray anjara mavitrika amin’izany ny Polisim-pirenena. Tonga nanokatra ny fotoana ny Minisitry ny fiarovam-pirenena ny Général de Corps d’armée RAKOTONIRINA Richard sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka Ny Contrôleur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa.
?Ny vola azo amin’ny hetsika dia atolotra ho an’ireo toby fitaizana zaza kamboty an’ireo mpitandro ny filaminana.

FANKALAZANA NY FETIN’NY FAHALEOVANTENA – KERIMESY LEHIBE ETSY BETONGOLO : MANDRAY ANJARA MAVITRIKA NY POLISIM-PIRENENA

Vous pourrez aussi aimer