Ady amin’ny asan-jiolahy
– Nitrangana fanafihana mitam-piadiana ny 18 Novambra 2025 tokony ho tamin’ny 6 ora hariva tao Toliara. Vehivavy iray mpanao cash-point nody avy niasa no notafihin’ny Jiolahy roalahy mitondra basy teny andalana ka naka ny vola sy fitaovana teny aminy.
– Ny fokonolona manodidina nahare ny tranga no nampandre haingana ny Polisy avy ao amin’ny Unité d’Intervention Rapide (UIR). Vokatr’izany dia tonga haingana tany an-toerana ny UIR ary voasambotra tao Bazaribe ny iray tamin’ireo jiolahy ary notazonina natao famotorana avy hatrany.
– Mbola tratra teny aminy avokoa ny sasany tamin’ny entana sy ny vola very ary efa niverina amin’ny tompony. Nahatratrarana basy poleta sy bala ihany koa teny aminy nandritra ny fisamborana.
