Ady amin’ny fipariahan’ny zava-mahadomelina
– Taorian’ny fikarohana sy fanadihadiana natao momba ilay rongony milanja 60 kilao izay tratra tao anaty valizy, ny 12 Novambra 2025, teny amin’ny Lycée Tsiebo Calvin Betroka, dia tratra ny lehilahy iray tompon’antoka tamin’ity fitondràna rongony ity.
– Voasambotra tao amin’ny Fokontany Mahatalaky, ny 18 Novambra 2025 atoandro izy. Nandritra ny famotorana natao dia niaiky izy fa azy ireo rongony tratra.
– Mitohy hatrany ny fanadihadiana mba hamantarana ireo mpiray tsikombakomba sy ny tambajotra mety ho ao ambadik’ity raharaha trafikana zava-mahadomelina ity.