✅ Ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy fipariahan’ny zava-mahadomelina
– Ny 22 Novambra 2025 – Lehilahy iray no tratran’ny Polisimpirenena teo am-pangalarana kodiarana sy kojakojana fiara hafa tao Ambohitrarahaba. Rehefa nahatsikaritra olona mampiahiahy nivezivezy tao amin’ny garazy ny tompon-trano dia niantso Polisy. Teo am-pamahàna ny kodiarana mihitsy no tratra ity mpangalatra ity ka noraisim-potsiny.
– Ny 23 Novambra 2025 – Lehilahy enina no tratran’ny UIR Sabotsy Namehana tao Andobotany, teo am-pifohana rongony ka tsy afaka nandositra intsony. Mbola nahitàna fonosana rongony teny amin’izy ireo nandritra ny fisavàna.
-Ireo rehetra voasambotra dia nalefa avy hatrany tany amin’ny Kaomisaria Foibe Sabotsy Namehana mba ahafahana manohy ny fanadihadiana.