⚠️ Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
🚔 Lehilahy iray 23 taona no voasambotry ny Polisy avy ao Morondava ny marainan’ny Alahady 30 Novembra 2025 rehefa avy nanendaka vehivavy iray teny Ambalatanga.
📞 Vao mangirandratsy dia nahazo antso ny Polisy fa misy vehivavy iray voaendaka teo Ambalatanga akaikin’ny Fitsarana Morondava. Lasan’ity mpanendaka tamin’izany ny poketran’ilay vehivavy sy ny findainy.
🔍 Nidina avy hatrany teny an-toerana ny Polisy ka niroso tamin’ny fisafoana ilay toerana nisehoan’ny fanendahana sy ny manodidina. Noho ny fikarohana nataon’ny Polisy dia voasambotra ny lehilahy iray ary mbola tratra tany aminy ny finday izay vao avy nangalarina. Nentina teny amin’ny biraon’ny Polisy izy natao fanadihadiana.

MPANAO SINTO-MAHERY IRAY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TAO MORONDAVA

Vous pourrez aussi aimer