– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
– Nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisy teny amin’ny faritra Tanjombato sy Ankaraobato iny no nifanena tamina lehilahy iray nitondra entana maromaro izay nampiahiahy ireo mpitandro ny filaminana.
– Rehefa nosavaina ireo entana sy kitapo teny aminy dia nahitàna saron-tava, baoritra roa misy menaka tsy mbola vaky, kitapo iray nisy sabatra sy antsy lava, fitaovana fanapahana vy izay fampiasan’ny olon-dratsy amin’ny vaky trano ihany koa.
– Tsy lavitra teo amin’ny nahatratrarana ity jiolahy ity dia nisy moto cross ihany koa izay fantatra nandritra ny fanadihadiana fa entana avy nangalarin’izy ireo avokoa.
– Fantatra ihany koa fa nisy namana roalahy niaraka taminy ity jiolahy ity ka nentina teny amin’ny biraon’ny Polisy izy hanokafana fanadiana sy hahafahana mikaroka ireo namany.

 

JIOLAHY IRAY AVY NANAO FANAFIHANA MITAM-PIADIANA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TENY ANKADINANDRIANA ANKARAOBATO

Vous pourrez aussi aimer