– Ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko sy fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo harena voajanahary
– Nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisimpirenena ny alin’ny 06 desambra 2025 no nahatsikaritra lehilahy iray mitondra moto izy ireo, raha vao nahita ny fiaran’ny Polisy ilay mpitondra moto dia vaky nandositra ka niroso tamin’ny fanenjehana azy avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana.
– Rehefa tratra izy dia nahitàna bolabolana « palissandre » miisa roa (02) teny aminy sy tsy misy taratasy ara-dalàna momba ny fitrandrahana ity hazo sarobidy ity.
– Nogiazana avy hatrany ireo hazo ary nentina eny amin’ny biraon’ny Polisy ilay mpamily mba hanohizana ny fanadihadiana.
AMBATONDRAZAKA: LEHILAHY NITONDRA HAZO SAROBIDY VOASAMBOTRIN’NY POLISY NANDRITRY NY FISAFOANA
