FIARAHABANA NAHATRATRATRA NY TAONA 2023 : NY MINISITRA SY IREO LEHIBEN’NY POLISIM-PIRENENA NO MANATONA MIARAHABA SY MIRARY SOA IREO POLISY ANY AMIN’NY TOERAM-PIASANY

?‍♂️?‍♂️Toy ny isan-taona dia apetrak’ Andriamatoa Minisitry ny filaminam-bahoaka ho soatoavina ny fidinany miaraka amin’ny staff miarahaba sy mirary soa ny Polisimpirenena eny amin’ny toeram-piasany misy azy avy.
✅️ Nanombohana izany ny Hery Vonjy Taitran’ny Polisy teny Antanimora, nitohy teny amin’ny Commissariat Central Tsaralalana , teny amin’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka Anosy, teny amin’ny Commissariat Central – Tanjombato sy ny Polisy avy eny Itaosy, ny Commissariat de Sécurité Publique Alasora, ny Commissariat Central Sabotsy Namehana ary namaranana azy ny teny amin’ny Sekolimpirenena Ambony ho an’ny Polisy teny Ivato – fotoana nihaonana tamin’ny PAF ihany koa.
✅️ Tao anatin’izany no nanafarany ny Polisy hanatanteraka ny toromarika nomen’ny Filoham-pirenena dia ny fanakaikezana hatrany ny vahoaka izay mifanindran-dalana amin’ny teny aina entin’ny Polisy miasa dia ny  » Polisy miaro sy manampy vahoaka » izany .
Mila miasa mafy sy miasa tsara hatrany isika hoy izy ary manatsara ny vokatra efa azo hoentina manatanteraka izany toromarika izany ka hahatsapan’ny fiaraha-monina fa milamin-tsaina izy ireo vao mahita Polisy.
✅️ Nofaranana tamin’ny teny fisaorana tamin’ny fitandroana ny filaminana nandritra ny fety moa ny fotoana ary nirary soa ny Polisy ireo lehibe isan-tsokajiny mba ho taonan’ny  » Fihariana sy Fandresena » ho an’ny tsirairay ity taona vaovao ity .
Tsara ny manamarika fa tsy eto an-drenivohitra ihany no misy izao fidinana ifotony izao fa toromarika ho any Fitalevam-paritry ny Polisy rehetra izany.

FIARAHABANA NAHATRATRATRA NY TAONA 2023 : NY MINISITRA SY IREO LEHIBEN’NY POLISIM-PIRENENA NO MANATONA MIARAHABA SY MIRARY SOA IREO POLISY ANY AMIN’NY TOERAM-PIASANY

Vous pourrez aussi aimer