– Ady amin’ny asan-jiolahy
– Ny alin’ny 05 Desambra 2025, dia nisy tranga fanafihana tokan-trano iray teny Manjaka Ankadikely Ilafy, Jiolahy miisa fito no nanatanteraka izany.
– Nahatsikaritra ny fidiran’ireo jiolahy ny tompon-trano ka nampandre avy hatrany ny Polisy ao Sabotsy Namehana.
– Tonga ara-potoana ny UIR (Unité d’Intervention Rapide) ka vao nahita ireo Polisy ny jiolahy dia vaky nandositra. Nisy ny fifanenjehana ka voasambotra ny iray tamin’ireo jiolahy.
– Vokatry ny famotorana natao azy dia fantatra avokoa ireo mpiray tsikombakomba sy ny jiolahy niaraka taminy ka vaosambotra ny 4 hafa ary mbola karohina kosa ny ambiny.
– Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa fianakavian’ilay voatafika ny iray tamin’ireo jioalahy, ary izy no nanome vaovao sy nampaniraka ireo namany hanao ny fanafihana.
– Rehefa natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny tribonaly Avaradrano ny raharaha ny 12 Desambra 2025 dia nidoboka am-ponja avokoa ireo Jiolahy dimy efa voasambotra. Mitohy ny fikarohana ataon’ny Polisimpirenena hahafahana mikaroka ireo jiolahy hafa mbola tafiditra amin’ity resaka fanafihana ity.
