– Izay mamboly hazo, manome aina.
– Notontosaina ny 17 Desambra 2025 tao amin’ny Fokontany Amboara, Imerintsiatosika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolenkazo 2025-2026.
– Ny Mpanolon-tsaina avon’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Médecin Kolonely ZAFIRASONDRY Ranoelison Marcellin sy ny Kolonely RAMPANARIVO Solofoniaina Thierry no tonga teny an-toerana nanome voninahitra ny lanonana. Izy ireo izay notronin’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy, Andriamatoa MANESIMANA Rafanomezantsoa Michaël, ireo Mpitarika ny Hery Fiarovana sy Filaminana ary ireo olom-boafidy maromaro avy amin’ny faritra Itasy.
– Nitarika ireo solon-tena avy amin’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka, ny Tale Jeneraly Lefitry ny Polisimpirenena, ny Commissaire Divisionnaire de Police SERALY Hercule sy ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka sy ny Polisimpirenena.
– Samy nanentana ny mpiray Tanindrazana mba hazoto amin’ny fambolen-kazo, mba hamerenana indray an’i Madagasikara ho nosy maitso ireo nandray fitenenana nifandrimbonan’ny.


