– Tsy diso anjara ireo zaza Kamboty Ivelan’ny Akany (KIA) fa nahazo fanomezana maro be avy amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ireo mpanohana ary mpiara-miombon’antoka miara-miasa amin’ny Polisimpirenena, tetsy amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna, ny Talata faha 23 Desambra 2025.
– Nisy ihany koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo ankizy afaka fanadinana CEPE, BEPC ary Baccalauréat ny 2025.
– Nisaotra manokana ireo malala-tanana maro samihafa tsy manadino ireo kambotin’ny Polisy ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL Wouli Soumah Idrissa, mivady. Notsindriany fa zava-dehibe ho an’ny Minisitera ny fitsinjovana sy ny fiahiana ireto zanaka ireto, satria izy ireo no mpandimby, ka adidy tsy maintsy tanterahina am-pitiavana izany.
– Tsy hadinony ihany koa ny nisaotra manokana ny Talen’ny Fitaleavamparitry ny Filaminambahoaka Analamanga, ny Commissaire Divisionnaire de Police, ANDRIANALISON Haminiaina Solofotiana mivady, izay angady nanana sy vy nahitana nanorina ny KIA.
– Nanatrika sy nanome voninahitra izao lanonana izao ireo solon-tena avy amin’ireo mpanohana nanolotra fanomezana, ny FIVAPOVA Analamanga, ary ireo tompon’andraikitra ambony eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ary koa ireo vahiny manan-kaja maro.

