– Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy 25 taona namono mpitondra taxi teny Alasora, voasambotry ny Polisy ny 25 Desambra lasa teo, rehefa niakatra fampanoavana androany teny amin’ny tribonaly Ambaratonga Voalohany Avaradrano. Niaiky ny helony moa ity mpamono olona ity nandritra ny fanadihadiana nataon’ny Polisimpirenena azy.
– Raha tsiahivina dia nandositra ny fonjakely nitazonana azy teny amin’ny biraon’ny Polisy teny Alasora ity lehilahy ity ny alin’ny Sabotsy 27 Desambra 2025 saingy nanao ny ezaka rehetra ny Polisimpirenena nahafahana nisambotra azy ka dia voasambotra ny Alahady 28 Desambra 2025 alina izy.
– Efa mandray ny fepetra rehetra hahafahana misoroka ny tranga toy izany ny Polisimpirenena ary manao fanadihadiana anatiny momba iny raharaha iny.

 

LEHILAHY NAMONO MPITONDRA TAXI TENY ALASORA : NIDOBOKA AM-PONJA ENY TSIAFAHY.

Vous pourrez aussi aimer