– Lehilahy iray 25 taona no voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny kaomisaria Ambohijatovo ny 02 janoary 2026 tamin’ny 7 ora hariva noho ny resaka halatra.
– Avy nangalatra vavahady vy miisa roa
izy no tratran’ny Polisy rehefa nanaovana velam-pandrika.
– Efa maro moa ny fitarainana voarain’ny tompon’andraikitra mahakasika halatra vavahady izay matetika miseho eny Ankatso sy ny manodidina ka nandray andraikitra izy ireo .
– Noentina eny amin’ny biraon’ny Polisy hanaovana famotorana mialohan’ny hanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana ity mpangalatra ity.

 

VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NY JIOLAHY IRAY MPANGALATRA VAVAHADY VY ENY ANKATSO SY NY MANODIDINA.

Vous pourrez aussi aimer