– Nanatanteraka hetsika fanentanana ny daholobe momba ny fisorohana ny valan’aretina « Mpox » na ny nendran-drajako, nanomboka ny Talata 06 Janoary 2026 ireo polisy avy ao amin’ny Compagnie Urbaine d’Intervention (CUI) sy ny Brigade Féminine de Proximité (BFP).
– Fampahatsiahivana ny vahoaka no natao teto, satria ireo fihetsika efa nampiharina sy nahomby tamin’ny ady tamin’ny COVID-19 ihany no naverina, toy ny fanajàna ny elanelana, ny fanaovana aro vava sy orona, ny famonjena tobim-pahasalamana haingana raha vao misy soritr’aretina mampiahiahy.
– Natao ity hetsika ity mba hanamafisana sy hampahafantarana fa zava-doza ny aretina Mpox, ka ilaina ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay.
– Namporisihina ny olom-pirenena mba hanatona mpitsabo faran’izay haingana raha vao misy tsy metimety amin’ny vatana.
– Fanombohana fotsiny ihany izao hetsika izao ka hivoatra arakaraka ny toe-draharaha ara-pahasalamàna izany.

ADY AMIN’NY TSIMOK’ARETINA MPOX NA NENDRAN-DRAJAKO : NANAO HETSIKA FANENTANANA NY POLISIMPIRENENA ETO ANTANANARIVO.

Vous pourrez aussi aimer