– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
– Ivandry, ny alin’ny 6 Janoary 2026, misasakalina mahery 30 minitra. Nandritra ny fisafoana anaty elakelan-trano no nifanehatra tamina telolahy ny Polisy.
– Nandositra avy hatrany ireto olon-dratsy ka raikitra ny fifanenjehana, tratra ny iray raha tafaporitsaka tany anaty elakelan-trano ireo namany.
– Rehefa nosavaina ity jiolahy ity dia nahitàna saron-tava, fitaovana fanapahana vy ary antsy tany aminy.
– Nentina teny amin’ny birao avy hatrany izy atao andri-maso sy hanokafana fanadihadiana.