– Ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy fiarovana ny foto-drafitrasa iombonana.
– Ny 10 Janoary 2026, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, naharay loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo ny Polisimpirenena fa misy olona manapaka tariby mitarika herinaratra an’ny JIRAMA ao amin’ny fokontany Ankirihiry.
– NIdina teny an-toerana avy hatrany ny Polisy ary olona miisa 05 no voasambotra ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny, lehilahy efatra sy vehivavy iray.
– Nentina eny anivon’ny Biraon’ny Polisimpirenena ny raharaha hanokafana fanadihadihana ka ho atolotra ny fampanoavana izany rehefa vita famotorana.

 

ANKIRIHIRY – TOAMASINA : OLONA MIISA 05 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY HALATRA TARIBY AN’NY JIRAMA.

Vous pourrez aussi aimer