– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy fiarovana ireo olona marefo.
– Naharay fitarainana ny Polisimpirenena fa nisy olona voaendaka ny Alarobia 07 Janoary 2026 sy ny Alahady 11 Janoary 2026 teny amin’ny lalan’i Vatobe 67ha sy Antohomadinika.
– Nanao fisafoana teny amin’ireo toerana ireo ny Polisy miasa ao amin’ny CSP7 67HA sy Poste de Police Antaniavo ka voasambotra tamin’izany ny lehilahy miisa 04, izay tratra ambodiomby avokoa.
– Nentina eny amin’ny biraon’ny Polisy ireto olon-dratsy ireto hatao andri-maso sy hanokafana fanadihadiana ary atolotra ny fampanoavana rehefa vita ny famotorana.

 

67 HA : MPANENDAKA, MPANAO SINTO-MAHERY ARY MPANGAROM-PAOSY MIISA EFATRA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer