– Fametrahana fandriam-pahalemana maharitra.
– Manatanteraka hetsika manokana ny Polisimpirenena ka nahitàm-bokany hatrany izany. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny Polisin’ny Boriboritany fahatelo Antaninandro teny Andravoahangy. Anisan’ireo olon-dratsy mpanao harom-paosy sy sinto-mahery eny amin’ny faritra Andravoahangy sy ny manodidina iny ireto tratra ireto ka ireo mpiantsena eny amin’iny toerana iny no tena lasiobatr’izy ireo. Mbola tratra teny amin’izy ireo ny antsy sy hareza entiny manao ny asa ratsiny.
– Nandritra ny fanantanterahana ny fisafoana mandeha an-tongotra eny amin’ny faritra Ilanivato iny ihany koa no nahatratrarana lehilahy iray, tokony ho tamin’ny 05 ora maraina, ny 15 Janoary 2026. Olon-tsotra niharan’ny fanendahana vao tsy ela, nanao fanatanjahan-tena maraina no nahatsikaritra ny akanjony nanaovan’ity olon-dratsy ity ka nampandre ireo Polisy nanao fisafona teny an-toerana. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany nanatona ity olon-dratsy ity, ka vantany vao nahatsikaritra ny Polisy izy dia vaky nandositra ka tratra ihany rehefa avy nifanenjehina.
– Ankoatra izay dia mpanendaka iray ihany koa no tratra ambodiomby teny 67Ha nandroba mpivarotra teo akaikin’ny fiantsonan’ny taxi be 67ha Atsimo. Rehefa nosavaina ity farany dia nahitana antsy teny aminy.
– Samy atao andrimaso eny amin’ny biraon’ny Polisy avokoa izy dimy lahy ireto hanokafana fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny fampanoavana.
