– Notontosaina teny amin’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy (ENSP) Mamory Ivato, ny Zoma 16 Janoary 2026, ny lanonana fankalazana ny faha-10 taonan’ny andiany MIARO.
– Anisan’ny nanamarika izany tsingerin-taona izany ny fametahana ny takelam-pahatsiarovana ho an’ny andiany natao teny amin’ny ENSP, ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny fotodrafitrasa ho an’ny sekoly, ka anisany ny rano fisotro madio.
– Tonga nanotrona ny lanonana Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra ambony avy ao amin’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka.
– Nandritra ny lahateny nataony dia niarahaba ny andiany Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena satria dingana iray lehibe ny nahavitàna izay folo taona izay, nirary soa azy ireo amin’ny tohin’ny asa maha Polisimpirenena ihany ko izy manoloana ny andraikitra hiantsorohan’izy ireo amin’ny fanompoana ny mpiray Tanindrazana.
– “10 ans de service et d’amitié, revivons nos moments forts” no teny filamatra noentin’ny andiany MIARO nankalazàna ity faha-10 taonany ity.




