– Notanterahina tetsy Antaninarenina, tao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara, ny Alarobia 21 Janoary 2026 maraina, ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piarahamiasa teo amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara sy ireo Hery Fiarovana sy Filaminana (FDS). Ity fifanarahana ity dia mikasika ny fanamafisana ny fiarovana ireo Banky Foibe sy ny sampany rehetra manerana ny Nosy, ary koa ny fiarovana ny fivezivezen’ny vola eto Madagasikara.
– Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa ny fiarovana ny vola manomboka eny amin’ny fahatongavany eny amin’ny seranan-tsambo, mandritra ny fitaterana izany, ka hatramin’ny fahatongavany ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara sy ireo sampany. Ankoatra izay dia eo ihany koa ny fiarovana ny Banky Foiben’i Madagasikara sy ireo rantsany manerana ny Nosy. Tanjon’ity fifanarahana ity ny hanamafisana ny fandriam-pahalemana, hisorohana ny loza mety hitranga, ary hiantohana ny filaminana ara-bola eto amin’ny firenena. Ho an’ny Polisimpirenena manokana dia ny USI (Unité Spéciale d’Intervention) no misahana ny fanatanterahana izany andraikitra izany.
– Nanao sonia ny fifanarahana ny Goveronoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, Atoa Aivo ANDRIANARIVELO, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Hery Fiarovana sy Filaminana, dia ny Général de Corps d’Armée PIKULAS Démosthène, Lehiben’ny Etamazaoro ny Tafika Malagasy, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor, Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ary ny Général de Division MAMELISON Mbinina Nonos, Komandin’ny Zandarimariam-Pirenena.
– Amin’ny alalan’izao fiaraha-miasa izao dia manamafy ny finiavana sy ny adidy iombonana ny Banky Foibe sy ny FDS hiaro ny rafitra ara-bola, hanamafy ny fitokisan’ny vahoaka, ary hanohana ny fitoniana ara-toekarena eto Madagasikara.




