– Fametrahana fandriam-pahalemana maharitra.
– Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena hiadina amin’ireo karazana tranga tsy fandriam-pahalemana miseho manerana ny Nosy. Tao anatin’ny herinandro, ho an’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Vakinankaratra manokana dia olona miisa 13 no voasambotry ny Polisimpirenena noho ny asa ratsy samihafa : zatovolahy miisa valo (08), malaza ratsy amin’ny asa fanendahana sy harom-paosy, no tratra teo am-panatanterahana ny asa ratsiny tao Antsirabe.
– Lehilahy miisa efatra ihany koa no voasambotra teo am-pidorohana rongony, nandritra ny fisafoana any anaty tanàna ataon’ny Polisy nanao fisafoana.
– Lehilahy iray hafa kosa no tratra nitazona basy tsy ara-dalàna, niaraka tamin’ny bala miisa enina (06). Mbola hita teny aminy ihany koa ny vola sandoka 20.000 ariary miisa dimy (05), izay saika ho aparitaka eny an-tsena.
– Nanokafan’ny Polisimpirenena fanadihadiana izy ireo mialohan’ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny Fampanoavana.

 

OPÉRATION MAHOMBY – VAKINANKARATRA : OLONA MIISA 13 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer