-Nihaona mivantana teny an-kianja ka niresaka tamin’ireo Polisimpirenena miasa eny an-dalana sy ireo mpamily taxibe 194 sy zotra D teny 67 ha Vatobe ary teny Andranomena ny Talem-paritry Filaminambahoaka Analamanga, ny Commissaire Prinicipal de Police RAFALIMANANA Alain Adonis, niaraka tamin’ny Lehiben’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna, sy ireo tompon’andraikitra ny Polisimpirenena amin’ireo faritra ireo.
-Tanjona tamin’izany ny fanentanana sy fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly ary ny fanajàna ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana fa indrindra ny fanajàna ny bokin’andraikitra ho an’ireo fiara mpitatitra.
-Nampatsiahivina manokana ireo mpamily sy ny mpanampiny ny maha zava-dehibe ny tsy hanaovana kolikoly na inona na inona antony. Noentanina hatrany izy ireo hanaja ny fiantsonana farany mba ho tombotsoan’ny be sy ny maro, ka tsy hiodina an-dalana.
-Namafisina tamin’ireo Polisimpirenena ihany koa fa tsy hisy fandeferena ny fanaovana kolikoly.
-Notsindrian’andriamatoa Talem-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga fa ho henjana ny sazy ho an’ireo minia mandika lalàna sy zatra manao lalan-dririnina.
-Fampitandremana farany mba hampiova famindra ny rehetra no natao androany fa hisy ny fitsirihana tampoka izay ho ataon’ny tompon’andraikitra.

ADY AMIN’NY KOLIKOLY ENY AN-DALAMBE SY FAMPANARAHAN-DALÀNA : SAZY HENJANA HO AN’IREO IZAY TRATRA MANAO IZANY

Vous pourrez aussi aimer