– Tonga nitsidika ara-pomba fanajàna ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, tao amin’ny toeram-piasany ao Anosy, ny Filohan’ny Holafitry ny Mpisolo vava vaovao, ny Maître RANARY RAKOTOARISOA Ferdinand, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy, ny Alarobia 29 Janoary 2026.
– Ity fitsidihana ity dia natao ho fanamafisana sy fanohizana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Holafitry ny Mpisolo vava sy ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ho fampiroboroboana ny fanjakàna tan-dalàna eto amin’ny firenena.

