-Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
-Ny 02 Febroary 2026 maraina no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Poste de Police Avancé Ankorondrano ity lehilahy ity noho ny halatra amin’ny alalan’ny famakiana fiara mijanona eny amin’ny fiantsonana.
-Vehivavy iray nitondra fiara Starex andeha hividy kojakojana fiara teny Ankorondrano no lasibatry ny halatra nataony ka very ny poketra tao anaty fiara.
-Noho ny fikarohana haingana nataon’ny Polisy avy ao amin’ny PPA Ankorondrano dia tratra tsy lavitra teo ity mpamaky fiara ity. Mbola tratra teny aminy ny fitaovana entiny manapitsoka ny varavarana niampy ilay kitapo very.
-Natao andri-maso avy hatrany ity mpangalatra ity ary ho atolotra ny fampanoavana rehefa vita ny fanadihadiana ataon’ny Polisimpirenena.
