– Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.
– Nandritra « Opération MAHOMBY » ataon’ireo Polisimpirenena ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka ao Menabe ny marainan’ny 04 Febroary 2026 dia ny vehivavy lehibe iray izay malaza ratsy amin’ny fivarotana zava-mahadomelina tao amin’ny fokontany Tanambao, Morondava no voasambotra.
– Loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitra-po no nahafantarana izany ka nanao ny fidinana ifotony ny Polisy. Nandritra ny fisavana natao tao an-tranon’ity vehivavy ity, dia nahitàna fonosana rongony miisa 37 efa vonona ho amidy tao aminy izay nafenina tamina koveta tao ambany fandriana.
– Nanokafana fanadihadiana avy hatrany ny raharaha ary ho atolotra ny fampanoavana rehefa vita izany.
MORONDAVA: VEHIVAVY LEHIBE MPIVAROTRA RONGONY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.
