-Ady amin’ny herisetra
-Nanao hetsika fanentanana sy fisorohana ny herisetra atao amin’ny ankizy ny Polisimpirenena tany amin’ny faritra maro teto Madagasikara nandritra ny 13 sy 14 Febroary 2026, ho fanamafisana ny fiarovana ny zaza sy hisorohana mialoha ny fandikan-dalàna.
-Tany Amboasary Atsimo, ny alin’ny 13 Febroary, nanao fidinana tampoka teny amin’ireo trano fandraisam-bahiny ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Amboasary Atsimo, nanentana sy nampahatsiahy ireo tomponandraikitra momba ny adidy sy andraikiny amin’ny fiarovana ny ankizy ary ny fisorohana ny herisetra mety hiseho.
-Tany Fianarantsoa kosa, tamin’io andro io ihany, tao amin’ny Kolejy Sainte Monique Mokàna, dia nisy fanentanana nataon’ny Polisy miasa ao amin’ny Sampandraharaha miady amin’ny heloka mamoafady sy miaro ny zaza sy ny olona marefo. Nohazavaina tamin’izany ny zon’ny ankizy, ny karazana herisetra mifototra amin’ny maha-lahy sy maha-vavy, ny andraikitry ny olom-pirenena amin’ny fitorohana raha misy trangana herisetra, ary ny fomba fandraisana an-tanana ny lasibatra.
Nitohy ny 14 Febroary 2026 tao amin’ny Kolejy Saint Pierre Claver Ambozontany izany, nisy ny fanentanana ho an’ny ray aman-dreny nataon’ny BFP tao anatin’ny “école des parents ». Nohazavaina ny lalàna miaro ny zon’ny zaza, ny karazana herisetra efatra, ny herisetra sy fanorisorenana an-tsekoly, ary ny maha zava-dehibe ny fifampiresahana ray aman-dreny sy zanaka. Nizaràna laharana maika ihany koa raha misy tranga mila fanampiana. Efa nahitana vokatra ireo fanentanana ka nandraisana fepetra avy hatrany, ary nohamafisina ny fisafoana.
-Ny alin’ny 13 Febroary ihany koa, tany Tolagnaro, niara-niasa ny PMPM, ny BFP, ny FIP ary ny UIR nanao fidinana ifotony teny amin’ireo trano fisotroana sy toeram-pandihizana mba hanaraha-maso ny fisian’ny zaza tsy ampy taona sy hanentanana amin’ny ady amin’ny herisetra sy fanararaotana.
-Tany Antsirabe, ny 13 Febroary 2026, dia nanatanteraka fanentanana ho an’ireo ankizy mipetraka ao Grandira ny PMPM Antsirabe. Nifantoka tamin’ny fiarovana ny ankizy ny fanazavana, ka noresahana manokana ny herisetra atao amin’ny zaza tsy ampy taona, ny halatra, ny loza ateraky ny rongony, toaka ary paraky, ary ny voka-dratsin’ny filokàna.
-Nampahafantarina ihany koa ny fitondran-tena tokony harahina mba hisorohana ny loza sy fandikan-dalàna, tanjona ny hampitombo ny fahalalan’ny ankizy sy hanamafisana ny fisorohana.
-Ireo hetsika rehetra ireo dia maneho fa manome lanja manokana ny fisorohana mialoha ny Polisimpirenena, amin’ny alalan’ny fanentanana sy fanabeazana ny mpiray Tanindrazana, indrindra ny ankizy sy ny raiamandreny, mba hiarovana ny zaza sy hampihenàna ny tranga herisetra eny anivon’ny fiarahamonina.

 

ADY AMIN’NY HERISETRA SY FIAROVANA NY ZAZA : MANOME LANJA NY FISOROHANA MIALOHA AMIN’NY ALALAN’NY FANENTANANA ATAON’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer