– Ilazana izay mahafantatra na mahita an’ireto olona manaraka ireto:
• RETSOFY Solondrainy Ralahavelo Solotena, teraka ny 21 Jona 1992 tao Betania Toliara, tompon’ny karapanondro laharana 501.091.019.920, zanak’i Ralahavelo Pierre Tsianignena sy Françoise.
Ny adiresy farany nahafantarana azy dia Ankadimbahoaka, lot tsy fantatra.
• sy i FIONONANTSOA Nehemia, teraka ny 02 Avrily 2002 tao Ankadivoribe, tompon’ny karapanondro laharana 117.452.006.541, zanakavavin’i P.I sy Lantonirina Honorine.
Ny adiresy farany nahafantarana azy dia Ankadimbahoaka, lot tsy fantatra.
• sy i ANDRIAMAMPIANINA Herilala Rolland, teraka ny 21 Jolay 1978 tao Antanifotsy, tompon’ny karapanondro laharana 114.011.010.984, zanak’i Andriamampianina Seth sy Razanadrisoa Berthine.
Ny asany dia mpamily taksibe (chauffeur de taxi).
Ny adiresy farany nahafantarana azy dia Ambohitraraba.
• ary i RANAIVOMANANA Arsène, teraka ny 09 Avrily 1996 tao Manalalondo, zanak’i Rakotonandriana sy Rasoamanalina.
Ny adiresy farany nahafantarana azy dia Ankadimbahoaka, lot tsy fantatra.
– Ny antony itadiavana azy ireo dia noho izy voarohirohy amin’ny halatra sy vaky trano (vol avec effraction) sy fikamban’jiolahy (association de malfaiteurs).
– Iangaviana araka izany izay olona mahita na mahafantatra ny misy azy ireo mba hampandre avy hatrany ny sakelika fahatelo ao amin’ny Brigade Criminelle, izay misahana ity raharaha ity, na koa hiantso ireto laharana manaraka ireto:
– 034 05 004 16
– 034 05 526 94
– 034 05 517 26
– VALISOA : Dimy tapitrisa ariary (5 000 000 Ar) isan’olona ho an’izay mahita na manome vaovao marina ahafahana misambotra azy ireo. Antananarivo, ny 05 Febroary 2026

FILAZANA FAMPITADIAVANA:RETSOFY SOLONDRAINY RALAHAVELO SOLOTENA, FIONONANTSOA NEHEMIA, ANDRIAMAMPIANINA HERILALA ROLLAND,RANAIVOMANANA ARSENE.

Vous pourrez aussi aimer