-Polisimpirenena mifanampy amin’ny sarotra
-Notanterahana ny 24 febroary 2026 tao Toamasina ny fitsidihana sy fanolorana fanampiana nataon’ny FIVAPOVA Nasionaly (Fikambanan’ny Vady Polisy sy Polisy Vavy) sy ny FIVAPOVA Atsinanana ho an’ireo Polisimpirenena sy ny fianakaviany tra-boina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani.
– Nitarika izany tany an-toerana ny vadin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka no sady filoham-boninahitry ny FIVAPOVA, Ramatoa ERICK MICHEL Lantosoa; notronin’ny Lehiben’ny Sampana fitsirihana anatiny ho an’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police MARINJAHA Vavitafika, ny Commissaire Principal de Police HAJANOMENA Razafindrasoa Bernadette izay Filoha Nasionaly FIVAPOVA, ny mpandrindra nasionaly , Ramatoa TSARAMONINA Fanjanirina
ary ireo delegasiona niaraka taminy avy ao Antananarivo.
-Taorian’ny fivoriana sy fandaminana niarahana tamin’ireo tomponandraikitra isan-tokony dia nisy ny fijerena ireo tena lasibatra sy voa mafy ka niroso avy hatrany amin’ny fizaràna ireo vatsy ny FIVAPOVA ; tokantrano 03 izay tena rava tanteraka no notsidihana sy nisitraka izany.
-Hitohy ny 25 Febroary 2026 maraina ny fizaràna izao tolo-tanana izao, hataon’ny FIVAPOVA ho fanampiana ireo Polisimpirenena sy ny ankohonany tra-boina ireo.

NITONDRA FANAMPIANA SY TOLO-TANANA HO AN’IREO POLISIMPIRENENA NIHARAM-BOINA TAO TOAMASINA NANDRITRY NY FANDALOVAN’NY RIVODOZA GEZANI NY FIVAPOVA

Vous pourrez aussi aimer