📍 Hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny 2 Martsa 2026 izao eny amin’ny CCI Ivato ny Fikaonandoham-pirenena ho an’ny Polisimpirenena Malagasy.

🗣️ Dinika lehibe izay tsy hijanona eto Antananarivo fa miitatra any amin’ireo Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka manerana ny Nosy. Natao hakan-kevitra hahafahana manatsara hatrany ny asan’ny Polisimpirenena Malagasy mba hamaly ny filàn’ny vahoaka sy ny fitondram-panjakàna amin’ny lafiny fampandriana fahalemana.

📚 Dinihina ihany koa ny fomba ahafahana manatsara ny fanatanterahana ny asa.

FIKAONANDOHAM-PIRENENA HO AN’NY POLISIMPIRENENA MALAGASY 2026

Vous pourrez aussi aimer