– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
– Ny 31 Martsa 2026, lehilahy roa no nampidirina am-ponja vonjimaika ao Tsiroanomandidy vokatry ny fanamboarana basy tsy ara-dalàna tao Atsimo Tsena Tsiroanomandidy.
– Raha tsiahivina, ny 27 Martsa 2026 tolakandro, fitaovam-piadiana maro karazana no tratran’ny Polisimpirenena tao an-tranon’ireo olona ireo. Tsy nisy taratasy ireo basy tratra tao amin’izy ireo, ary tsy nisy taratasy ihany koa nahafahana nanamboatra basy.
– Natolotra ny fampanoavana ny 31 Martsa 2026 izy roa lahy ireo ary nampidirina am-ponja. Fantatra fa misy lehilahy iray efa migadra ao Tsiroanomandidy no tompon’ny sasany amin’ireo basy tsy ara-dalàna.
– Tsy natao ho an’ny olon-drehetra ny fanamboarana basy sy fitazonana izany. Mampitombo hery sy manamora ny asa ratsin’ireo jiolahy ny fitazonany basy noho izy fitaovam-piadiana saro-pady sy mandatsaka aina.
– Hita sy voaporofo fa maro ireo jiolahy no mampiasa basy vita gasy. Misy lalàna mifehy azy ny fitazonana basy, fa tsy toy ny mividy zavatra eny amin’ny tsenakely ny fividianana basy. Azo atao tsara ny mangataka fahazoan-dalana mitazona basy fa kosa tsy maintsy arahina ny antanan-tohatra araka ny lalàna.
