– Ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
– Taorian’ny fiparitahan’ny vaovao tamin’ny tambajotra sosialy mahakasika halatra « trottinette » nitranga ny 26 Martsa 2026 tao amina tranombarotra iray tao Tanamakoa, dia lehilahy iray no voasambotry ny Polisy ny 02 Aprily 2026 tao Ambolimadinika tompon’antoka tamin’io halatra io.
– Nandritra ny famotorana dia niaiky ny heloka vitany ilay voasambotra ary nanondro ny namany iray izay mbola karohina amin’izao fotoana izao.
– Natolotra ny fampanoavana ny 07 Aprily 2026 ilay lehilahy ary naiditra am-ponja vonjimaika.
– Tsy mikely soroka ny Polisimpirenena amin’ny fikarohana ireo mpanao ratsy amin’ny alalan’ny angom-baovao samihafa sy ny fampiasàna ny fahaiza-manaony manokana. Manamora ny fikarohana kosa ny fisian’ireo tratra ambodiomby amin’ny « caméra de surveillance » tahaka itony.

 

TOAMASINA : LEHILAHY IRAY TRATRAN’NY CAMERA DE SURVEILLANCE NANGALATRA TROTTINETTE, NIDOBOKA AM-PONJA.

Vous pourrez aussi aimer