– Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Alatsinainy 12 Janoary 2026 teny amin’ny Toby Inspecteur Général de Police AMADY AUGUSTIN – ENSP Mamory Ivato ny fiofanana mitondra ny lohateny hoe “TUERIE DE MASSE”, karakarain’ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Fampiofanana Mitohy ity fiofanana ity miaraka amin’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy, ny Fitaleavana misahana ny Hery Vonjy taitran’ny Polisy; izay hiaraha-miasa amin’ny Commandant Divisionnaire Frédérick LARTIGAU, Lehiben’ny Tetikasa fiaraha-miasan’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara sy ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
– Manam-pahaizana frantsay roa avy amin’ny RAID no mpampiofana, ka misy ireo Commissaires de Police, Officiers de Police ary Inspecteurs de Police avy amin’ireo Vondron-kery manokana ao amin’ny Polisimpirenena; ary misy solon-tena avy amin’ny Zandarimariam-pirenena ihany koa.
– Ny tanjona lehibe amin’ity hetsika ity dia ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpitandro filaminana eto Madagasikara, indrindra amin’ny lafiny asa mivantana sy fandraisana andraikitra eny an-kianja raha misy tranga fitifirana olona ataona mpampihorohoro tahaka ny tranga tany Aostralia izay nahafatesana olona an-jatony.

SEKOLIM-PIRENENA AMBONY HO AN’NY POLISY (ENSP) IVATO : NISITRAKA FIOFANANA MOMBA NY FIROTSAHANA AN-TSEHATRA SY FITANTANANA NY TRANGA « TUERIE DE MASSE » NA FITIFIRANA OLONA MAROBE TAHAKA NY NITRANGA TANY AOSTRALIA NY POLISIMPIRENENA, NISY ZANDARY NANDRAY ANJARA IHANY KOA.

Vous pourrez aussi aimer