-‎Ady amin’ny herisetra atao amin’ny zaza tsy ampy taona
-‎Lehilahy iray 75 taona no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Sampandraharaham-paritra Mikaroka ny fandikan-dalàna (SRPJ) ao Menabe ny 27 Febroary 2026, noho ny fanolanana zazavavy 15 taona.
-‎Nahazo antso avy amin’ny olona tsara sitrapo ny Polisy ny marainan’ny 27 Febroary 2026, nampahafantatra fa misy lehilahy antitra miray tamin’ny zazavavy tsy ampy taona ao amin’ny fokontany Tanambao Morondava.
-‎Nidina ifotony avy hatrany ny Polisy nanao ny fizahana ny zava-nisy ka tra-tehaka tao an-trano niaraka tamin’ilay zazavavy ity lehilahy ity. Nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity ary nandritra ny fanadihadiana dia niaiky ny heloka vitany izy.
-‎Rehefa vita ny fanadihadiana nataon’ny Polisy dia natolotra ny Fampanoavana ny raharaha ny 03 Martsa 2026, ary dia naiditra am-ponja vonjimaika ilay lehilahy.

 

LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY FANOLANANA ZAZAVAVY TSY AMPY TAONA

Vous pourrez aussi aimer